mardi 12 juillet 2016

Vaovao avy aty amiko e!

Salama e!

Efa tsy ho 7 volana ve aho zay tsy nanoratra teo? Tena efa ela be zay, tsy hita moa fa tsy misy hambara firy fa de niandriandry teny. Zay ndray aho vao eto hitantara ny tohiny dianay. Manana vaovao hozaraina aho ka dia leoko manoratra ndray satria te hizara mafy an'ireto vaovao ireto aho.

01 Marsa 2016 
Refa hita manjavozavo fa nisy anilay polyp aho tamin'ny scan zay natao tao clinic nikarakara ahy dia nalefa nanao SIS mba hi verifiene tsara habeny lay polyp sy oe firy marina polyp mitsiry ao anatiny tranon-jazako. Ny volohany volana Marsa izahy no nahazo rendez-vous tao amin'ilay radiologiste. 
Naharitra teo 45mn teo lay scan ary teo nahita fa tena tao ilay polyp fa saingy kely,niteny moa ilay dokotera tao fa tsisy atahorana ilay izy satria kely fa kosa fanampahakevitra rehetra dia miakina amin'ny dokoterako any clinic.

Ny tolakandro io andro io ihany dia niantso ahy lay dokotera ao clinic fa nampilaza fa voray dossier avy anilay dokotera nao anilay Saline Infusion Sonohysterography (SIS) ka refa nanao fandinihana zareo rehtra dia aleo hoesorina ilay polyp satria polyp dia atony iray mahatonga vehivavy ho afa-jaza mandritra vohoka, ny ahy koa moa embryon iray ihany ka aleo atao zay zay hahasoa anizay iray zay. 

25 May 2016 : Hysteroscopy
Tamin'io no noesorina ilay polyp. naharitra teo 40 mn treo fandidina, tsy nisy anestezia fa dia nihinana penadol sy ubiprofen andiny 1 talohany ilay kana azy. Tena raha ataoko aminy 1 katrany 10 ny faharariny nakana azy dia aleko atao 6 ,satria maharary an! fa afaka tao ihany moa lay izy.  Tsisy fahasarotany nakana anilay polyp fa dia nizotra tsara ary salama tsara aho taorina nakana azy.

22 Jiona 2016 : nanomboka nihina anilay pilina Progynova 2mg

Misy pilina izay nomeny clinic aho ka milay mihinana anilay izy aho in-3 isan'andro ka ezahina aminy ora tsy miova fihinana azy. Ny ahi dia nataoko amin 8 ora marina, amin'ny 1 ora atoandro ary amin 8 ora alina. Hatreto aloha dia vita daholo ny rehetra tsy mbola misy handrino.


Ity progynova izay haniko in-3 isanadro

07 Jiona 2016 : scan sy fitilina ny ra sy -

afa-po tamin'ny valiny fitilina scan ny dokotera dia nahazo fanafody vaovao aho, utrogestan izay ampidirina ao amin'ny fivaviana in-telo isandro ka amin'ny ora ihinana anilay fanafody iray etsy ambony no ampidirana azy.


Zay ndray aloha ny azoko lazaina androany fa aleo maka aina kely aho.

Rampitso aho manohy ny tohiny.
Misaotra anao mamaky hatrany e!

Valisoa







1 commentaire:

  1. This is such a great resource that you are providing and you it away for free. I love seeing blog that understand the value.Progynova 2mg in USA, UK and Australia

    RépondreSupprimer