vendredi 15 juillet 2016

12 Jolay 2016 : Embryon transfer

salama e!

Androny aho va afaka hanotra sy hitantara lay ET (embryon transfer) zay nataoko tamin'ny talata 12 volana jolay teo, efa ho 2 taona mahery kely no niandrasako anio an.
Andao ary ho tantaraiko aminao ny fizotra ny ET nataoko .

Talata 12 Jolay 2012.
Tamin'ny 11:10 ny fotoana hihaonako amin'ilay dokotera tao clinic hanaovana anilay Embryon transfer, fa nasainy ho tonga aloha aho mba hiomana amin'ny izay ato. Fiomanana tiany hataoko moa dia oe mila tsy feno pipi ny ao amin'ny tatavia alohany hanaovana ny ET, ka tokony teo 10:50 teo izaho no tonga tao amin'ilay clinic ka nasiny nisotro rano 1 vera aloha. 

Nony tokony tany amin'ny 11 ora tany dia nampandrosoiny izahay ka natolony ahy ny akanjo izay hanaovana mandritra ilay ET,nasainy noesorina daholo ny akanjo izay nanaova (fehitratra no navela), dia avy eo nanao ilay akanjo manga ny clinic, marefo mako ilay embryon ka izay no antony tsimaintsy nanoloana ny akanjo.

Nony vita ny fisoloana akanjo dia narosony tao amin'ilay efitra izay hanaovana an'ilay ET aho,araky ny mahazatra mba hanamarina fa izaho marina ilay olona ho raisina anio dia asainy milaza ny anarana sy adiresy sy ny taona nahaterahako aho. Nilaza ilay embryologist fa miforona tsara lay embryon ary afako-po ry zareo ka vonono hiroso amin'ilay ET izy. 

Nasaina niakatra teo amin'ilay fandriana aho ,nampiakarina ny tongotra toy reny olona hiteraka ireny, avy dia natao toy ireo hanao ecografie ireny ny teo amin'ny kiboko. Afapo tamin'ny fijerena teo ecran ilay dokotera ka nampidirina ilay fantsona kely izy misy ny embryon, hita mazavozavo eo ecran ny fizotrany rehetra. Tsy ampy 3 minitra akoriny dia vita fa dia fiomakomanana ro be. Tsy naharary na kely aza. Nony vita dia nasainy ninjanona teo aloha aho mandritra ny teo 3 minitra teo no sady nanazava ilay mpitsambo mpanampy oe inona no azo atao sy ny tsy azo atao, ary nanome ny fanafody izy hampiasaina indray mandritra ny 10 andro izay hiandrasana ny vokatra.  Rehefa vita ny rehtra dia niverina tao amin'ny efitra misy ny akanjoko aho ary afaka mody.

Eny 10 andro no hiandrasana ny vokatra, amin'ny 22 vola jolay izay no hanao anilay "test de grossesse" aho
Reto ny fanampy fanafody am-piasaiko 2 isaky aminy 8 marina , 1 ora atoandro ary amin'ny 8 hariva

Fanazavana kely : Ny embryon hampiasaina amiko dia frozen, ary io embryon 1 io ihany ny ahy no hampidirna satria izay no hany anananany no sady tsimaintsy embryon iray no azo ampiasaina aty aminy toerana naovako anio Fiv io. Io embryon iray io hany fanatenako io no ahy , raha santria ka tsy tafa dia hamerina A-Z indray . Tamin'ny 05 decembera no nakany ny atody tato amiko . Azonao vakina ETO ny fizotran'ny ninjinjana ilay atody.

Ataoko ao amin'ny lahatsotra manaraka ny tohiny, hitanatra aho amin'ny azo atao sy tsia, ary hiresaka koa oe ina no niseho mandrindritra ilay 5 andro izay, satria efa faha 5 andro sahady aho izao.

Misaotra anao hatrany ny hamaky, aza misalala ny manontany raha misy tiana hazava bebekokoa. 

Am-pitiava be 

Valisoa

1 commentaire:

  1. That's really awesome blog because i found there lot of valuable Information and i am very glad that you share this blog with us.Progynova 2mg in USA, UK and Australia

    RépondreSupprimer