mardi 15 décembre 2015

Egg Collection : Finjinjana ny atody

Alatsinainy 07 Decembra 2015 : Egg collection

Mazava hoany fa narahiko daholo reo torimarika natorony ilay mpampivelona ahy alohany hatongana tao amin'ilay clinic.

9 ora maraina :
Tonga tao clinic mialoha izahay mivady, teo amin'ny efitrano fiandrasana izahay no nandro ,tsy tafapetraka mihitsiny aho fa nintsangana nivezivezy (tsara ihany mba zahay mivady irery no tao). Tahotra no tena nameno tato amiko,tahotra maharary ,satria misy milaza fa maharary zany EC na ER zany. Tsara ihany fa teo vadiko nampahery ahy amin'ny teny mamy.

9 ora 15 minitra :
Nampandroso anay lay nurse ,nasainy nandroso amin'ny efitrano iray izy ary nasainy milaza ny anarako sy date naterahako sy adressiko aho mba hanaprofoina fa izaho marina io (na dia efa hainy tsara aza aho hiiii) . Nasainy nilanja vetivety aho ary tamin'ny alalany lanja azo avy eo nanomezany ahy silaka fanafody,ary nilaza izy fa ho jejina toy ny olona mamo aho avy eo fa aza gaga . Avy eo dia nasainy nosoloina ny akanjoko ka nomeny akanjo hopitaly sy bakiraro aho. Nampiriminy reo akanjo nanaovako rehetra fa ny silipoko kosa nasainy natao anaty plastic fa hatao fitilina any aminy laboratoire.

Avy eo nandroso lay embryologist nanazava ny hataondrizareo amin'ny ireo atody refa azo,ary rampitso talata amin'ny 8:45 izy no hiantso hampilaza ny fivoarany izy ireo (ndray tena tsy tadidiko lay anarany satria efa mamo ve zaho teo hiiii)

Nandroso lay Dokotera X nasainy namerina ny anarako indray aho,anotaniny sao alerigika fanafody sns ...za aminy zany toa be resaka tsy haihaiko zany ( miasa sahady lay fanafody ngambany) . Notadiaviny ny lalandrako teo amin'ny tanako havia ary nasiany serengy (tsy henoko mihitsiny nidiran ilay serengy,efa zatra nitsindrona ngambany aho) .

9 ora 45 minitra (misy famatranadro lehibe eo rindrina)
Nampandrosoiny zareo tao ao amin'ilay efitrano hanaovana ny operation aho, nisy nurse anakiroa tao, nampafatatra ahy tenany izy ireo ,nasainy niakatra teo ambony fandriana aho, nisy fanazavana teo fa tena tsy dia tadidiko loatra,nony nitodika teo akavana aho dia nahita ilay vadiko mipetraka eo aminy seza. Ary teo akavia kosa toa machine maro (natahotra aho fa sambako zany oe hiditra lalina amin'ity resaka hopitaly ty,taloha mantsy toa vitany paracetamol sy tabavy hiiii)
Mandroso ny dokotera norakofany lamba toa miloko maintso aho ka faritra ilaina ihany no miseho.
Nasiany ilay nurse ranompanafody ilay serengy tamin'ny tanako,ary poa toa izay aho dia hotrany te hatory. Isaky misy zavatra hataon 'ilay dokotera dia miteny izy, henoko daholo ny resaky ny olona rehetra manodidina ahy fa izaho kosa toa tsy manana hery hamaly azy ireo, tsy naheno maharary mihitsiny aho na kely aza,tena tsy maheno. Andramako sokafako ny masoko mba hijery ilay ecran izay mampiseho ny atody alaina avy amiko fa toa manjavona no hitako ary te-hanakipy masoko aza aho. Eny henoko ny olona miresaka ,henoko ny vadiko midoka ahy, aminy teny mamy (hiiii) ary henoko ilay nurse mamerina izay lazainy dokotera,toy eo 3,7,4 (inona daholo ary zany)

Ngamban teo 20 minitra teo dia henoko lay dokotera niteny oe vita! Vita,tadidiko manjavozavo ilay nurse nampidina ahy teo amin'ilay fandriana ,ary tafaran'izay dia tsisy tadidiko intsony tohiny.

11 ora mahery tany 
Taitra aho,ary tamin'ny efitrano hafa zay misy ramatoa roa teo fandrina eo akaiky ( na misy rideau ary manelanelana anay 3 vavy dia haiko fa nandalo dingana mitovy izahay,ary izy ireo dia efa nifoha talohako noho resaka izay ifanaovany amin'ireo mpamivelona) .Ny vadiko kosa tsy nanalavitra ahy fa teo akaiky mitazaona ny tanako. Tena tsy nino aho hoe vita lay izy ,ary tsy maheno maharary mihitsiny ny tenako,zay haharary zay nefa nampitaitaina ahy hatraminy sabotsy.
Norosoin'ilay nurse dite mafana sy mofy mamy moa zahay, nasainy naka aina kely, lasa izy nanazava tamin'ilay ramotoa ato akilany izay tokony hatao.Afak 10 minitra tany hoany dia niverina izy ary nilaza fa 14 ny atody azo avy amiko. Noho ny ahy izay tsy haverina aminy andro faha 5 moa dia tsy nisy fanafody nomeny ahy fa asainy miverina fotsiny izahay ny 22 Decembra izao ,hijerena na mbola ao ilay "polyp" na aohona. Reo ramatoa roa teo akaiky dia tsisy olana raha ny resaka zareo ka afaka mamohy dia. 

Nody izahay,mahatsiaro maivamaiva ery aho ,nisakafo atoandro teny andalana izahay,noana sy nangetahetra mafy ery aho satria toa efa ela ihany zay alina nisakafoanana farany izay. Vita ihany iny andro marina e!

Sariny tanako sy tongotrako nandritra ny EC
Mahafinaritra ahy daholo reo olona manodidina ahy nandritra ilay EC,ireo dokotera sy reo nurse dia hita fa manohana nanao amin'ny zavatra rehetra, ary manao zay azo atao mba hampilamina ahy. Ny vadiko moa dia tsy lazaina intsony,nanohana anahy hatranimy andro volohany ka hatramin'izao. Izaho koa manohana azy hatrany. Ny tohana avy amin'ny namako tsy lazaiko intsony. Misaotra "Anao" aho manohana anahy hatrany. Misaotra "Anareo " aho

Misaotra nanao aho namaky ny andro,ialako tsiny raha dia herinandro aty aorina aho vao namoaka ilay lahatsoratra.

Samy ho tahiny Tompo.

Valisoa.


samedi 5 décembre 2015

Dingana ny 30 -06 Decembra 2015

Salama daholo 

Tafaverina ndray aho fa hanao famitinana ny zavatra niseho tamin'ny iny herindro lasa iny. Hoezahiko ampafatrina anareo oe Inona ndray zao hatao manaraka.

Alatsinainy 30 Novembra : Fitilina ny ra sy scan
Refa natao scan dia hita fa ilay havia mamokatra tsara noho ilay havanana. 
Notohizana ny tsindrona Gonal F ka nampitomboina ho 255iu + Orgalutran

Talata 01 Decembra : Tsindrona Gonal F 225 iu + Orgalutran ,anelanela aminy 9 -10 alina

Alarobia 02 Decembra : Fitilina ny ra sy scan 
Hita ihany fa tsy namokatra ilay havana ka hany ka notohizany hatrany ny tsindrona Gonal F 225iu + Orgalutran

Alakamisy 03 Decembra : Tsindrona Gonal F225iu + Orgalutran ,anelanelany amin'ny 9 - 10 ora alina

Zoma 4 Decembra : Fitilina ra sy scan
Nony natao ny scan dia hita fa mitombo tsara ary efa vonona halaina ireo atody reo,lay Tao amin'ilay ilany somary resiresy moa dia nitombo habe fa saingy vitsivitsy ihany no vonona ho esorina.
Refa notohizana lay scan dia nahitana endometrial polyp ndray teo lay tranon-jaza ,nefa hatramin'ny zay nanao scan dia madio be tsisy hotrizany teo. Olana vaovao ndray ty marina.
Mahazo fanafody vaovao aho ovidrell, izay hampiasaina ny sabotsy izao ka hiantso ny mpampivelona ny sabotsy hanome ireo torimarika

Fanampahakevitra ny dokotera : hoesorina reo atody reo aloha satria efa vonona dia ho congelena. Avy eo ndray mahita tohiny manaraka. Ary amin'ny alatsinainy izao no hiroso amin'ny "egg collection".

Sabotsy 05 Decembra : Fitilina ra ndray,Tao anaty herinandro zaho naka ra in-dimy be zao.

Sabotsy 05 Decembra : 21 :45 tsindrona ovidrel 250ml eo amin'ny kibo.
Alatsinainy maraina 3:00 farany misakafo 
Alatsinainy maraina 7:45 farany misotro rano
Alatsinainy marina 8:45 mitelina penadol miisa 3 ,miaraka amin'ny rano farakizay kely
Alatsinainy maraina 9:45 manomboka lay egg collectio
Fanampiny : tsy mahazo manao ranomanitra sy creme fa mandro amin'ny rano madio fotsiny ny marina lay egg collectionsatria lay egg dia "sensitive "

Orgalutran
Sary : Valisoa
Gonal F + Ovidrell
Sary : Valisoa
Ireto ny fanafody nampiasiko
Sary : Valisoa
Ity misy tantara kely niseho ny Zoma sy Sabotsy :
Nony tonga ny zoma hariva dia lasa nijery Krismasy parade izahy,hany ka dia sondrina loatra ka dia very ary ity finday,teo aho vao nikiropaka satria nilaza ilay mampivelona fa hiantso ahy hilaza torimarika rehetra hatao amin'ny ilay ovidrell. Ny andro efa tamin'ny 7 hariva ,efa mihidy mpivarotra finday mba hi recuperena ilay numero. Hany natao dia nividy finday teny mpivarotra tsotra, alina tontolo dia nametraka hafa amin'ny finday clinic mampilaza fa ity numeroko vaovao azahoana ahy,hay moa ka tsy mivoha sabotsy rizareo. Tampina ny domy,tsisy numero hafa azo aintsoana anilay clinic. Za zany amin'io tena efa mitomany mihitsiny satria inona ary zany no hatao,tao antsaiko dia hiantso "emergency number " lay clinic.
Tonga ihany ny samedi tolakandro,vo recupere ihany lay numero,teo vao manotany teny sao de mba efa niantso rizareo sns...  Eo ampivoahana anilay ivony tambazotra (zay nochargena tao lay mpivarotra phone),io fa misy numero miafina niantso, hay lay clinic , nanotaniko izy efa niantso ahy ve enao talohany izao fa vao izao " vao izao za niantso ka!" .Hotrany oe nisy zavatra goana afaka zany tato amiko ,satria zaho tena efa kivy oe aona hicontacteny clinic ahy androny. Nazavaiko azy kely aloha zavanitranga sao de gaga izy amin'ny reo msg maro vorainy amin'ny alatsinainy. Hanazava hatao moa niantsony ka dia ireo nataoko eo ambony eo fanazavana

Zay ny azo aroso androny, dia asa na hanao aona io rampitso io fa aho atao dia tena matahotra mihitsiny,ny maso moa ndraindray adala dia tsimaintsy mijery any Dr Google sy Dr YouTube dia mahita fa farakizay maharary lay manao egg collection dia vao maika aho matahotra . 

Refa tafarina tsara amin'ilay egg collection rampitso zaho dia milaza aminareo ndray inona ndray ny dingana vaovao.
Misaotra anareo mamaky hatrany sy mitafatafa ao msg miafina fa mahafinaritra fanohananareo.

Am-pitiavana be
Valisoa.

dimanche 29 novembre 2015

Manomboka ny dingana goavana!

Salama daholo !

Niverina ndray fa zay vao misy vaovao, ny vaovao moa dia oe manomboka tamin'ny 23 novembra teo ny "cycleko" .Efa eo ampanindron-tena aho nanomoka ny 24 novembra.
Ho fitiniko eto ambany ary reo zavatra hataoko mandrapahatonga ny andro faha-8.

Andro 1 : 23 novembra
Tonga ny 22 novembra ny fadimbolanako, dia niantso ny clinic aho ,hay moa ka ny 23 novembra no andro volohany satria ny atao eo andro volohany dia lay andro ifohazana aminy ra fa tsy ilay tasy.

Andro faha-2 : 24 novembra
Tsindrona  Gonal F 125iu eo amin'ny kibo. Sambako nanindron-tena fa natahotra mafy ery aho,hay moa ka tsy maharary akoriny. Tena nanamora fitsondrona ilay fitaovana toy ny "pen" tsy heno mihitsiny fidiranilay fanjaitra manify eo aminy hodotra.Sady raha vao zoro 90 degre ihany no anondromana dia tsy maharary.Hatreto dia mbola tsisy fiatraika ivelany fa toy isanandro ihany fasalamako

Andro faha-3 : 25 Novembra
Tsindrona Gonal F 125 iu eo amin'ny kibo anelanelany 9 - 10 hariva
Azithromycin pilina anakiroa

Andro faha-4 : 26 Novembra
Tsindrona Gonal F 125iu eo amin'ny kibo anelanelany 9-10 hariva. Androny dia toa varina aho nony nanindrona  hany ka lasa tsy mahazo zoro 90 degree ilay fanjaitra fa toa 70 degree,henoko nahary mihitsiny fidinanilay ranompanafody hang nisy ra kely refa vita. Nony marina ny andro dia mangana ilay faritra nisy ny tsindrona.


Andro faha-5 : 27 Novembra 

Tsindrona Gonal F 125iu eo amin'ny kibo

Andro faha-6 : 28 Novembra
Tsindrona Gonal F 125iu eo amin'ny kibo
Tsindrona Orgalutran ny hariva anelanelany aminy 9-10 alina.
Andro volohany nampiasako ny Orgalutran androny,hita be samy hafa fiasany reo fanafody roa ireo. Na fanindronana azy samy hafa be satria lay Orgalutran dia tena seraingy be izao no sady lehibe fanjaitra raha mitaha amin'ilay Gonal F zay toa "pen" . Sarotra kokoa ny manindrona aminilay Orgalutran amin maha lebehibe anilay fanjaitra.

Andro faha-7 : 29 Novembra
Tsindrona Gonal F 125iu eo amin'ny kibo
Tsindrona orgalutran ny hariva anelanelany 9-10 alina
Zaho lasa hotrany te hatory be zany fona androny,sady kamo vavy be ngambany noho ilay Orgalutran, tsara ihany mba tsy kizitina.

Andro faha-8  : 30 Novembra
Fitilina ny ra sy scan. (Ho resahiko ao lahatsoratra manaraka eto )

Ireo aloha hatreto ny ataoko sy fanafody ato amiko,dia aorianan'io andro faha -8 no ahitana oe misy fiatraika amiko ve sa tsia reo fanafody reo, eo koa hahitana oe ina ndray ny dingana manaraka.

Isaorako aloha ny Tompo amin'ny nitantanany ahy ka tonga ihany ny andro hanombohako anity ,efa ela aho no miandry. Enganie mba ho tody tsy hisy olana (makaheritena be ery !😀)

Taloha aho no tena feno "stress" mihitsiny mieritreitra anity dianay ty fa tena nialako zany ,aleo tsy asiko stress tsy ataoko an-doha mihitsiny ,tsy oe tsy mivaky loha fa mandavitra ny "stress" .  Refa anjarako io dia anjarako.

Misaotra anao mamaky,mialatsiny raha be menomeno ery ambony fa makaheritena e! Isaorako anareo rehetra hatrang aho ny mivavaka hoanay sy miresaka amiko ao msg voatokana Misaotra anao namaky koa. Mirary tontolon'andro mahafinaritra feno fahasoavana sy fitsikina. Reo ambany reo misy nalaiko 

Am-pitiavana be

Valisoa.
Gonal F sy Orgalutran
Sary :Valisoa





mardi 13 octobre 2015

Ny vaovao avy aty amiko.

Salama daholo e!

Tena efa ela be zaho tsy nahavoasotra ato marina moa e! Eny e! Tsisy vaovao azo naroso dia aleo nangina aloha ,sady toa be asa loatra aho tatohoato dia lasa tsy mahavoasoratra mihitsiny. Mametraka ny fialantsiny hoanareo zay mpamaky ny lahatsoratra arosoko.

Manana vaovao aho,vaovao zay azo lazaina oe tsara (tsia ,tsy mbola ilay eritreretinao re? ) ,fa tiko lazaina dia oe efa misy dingana vaovao nodiavoko ndray.
Ny vaovao dia nahazo taratasy avy amin' ny clinic aho , 7 Aogositra lasa teo, faly ery aho fa mba nisy vaovao ihany nony farany fa zaho nge dia tena nangina mihitsiny nandritra iny volana jiona sy jolay iny. Hay moa nony tonga ny Aogositra dia nahavoaray taratasy avy amin'ny clinic ihany.

Sabotsy 28 Aogositra : Fitiliana ra
Ny zoma 27 aogostra no tonga fadimbolanako volana io,dia faha 2 na faha 3 ny andro fadimbola no tsimaintsy manao fitilina ra,maro be moa zavatra nojerena taminy ilay ra nalaina teo fa tena hadinoko mba naka sary anilay taratasy .
Ty misy tantara kely: nony avy naka ra zaho dia avy dia maika be satria nisy dia izahay halehako izy handraisako fiaramanidina,avy dia nataoko teo amin'ny soroko ny tanako izay avy naka ra ary ty poketra,inona hozy nareo fa toa naheno zavatra nafanafana aho mikorina ny tanako ,jereko hay ra be no jininika manaraka ny tanako,tsy nahasarona azy akory ilay vovoha zay natao teo,tsara fa mainty ny akanjo nanaovako,no  sady vo tao anatin ilay trano fitsaboana dia efa hita. Teo izaho vao mahalala oe hay moa refa maka ra dia tsy tokony hampiasaina amin'ny zavatra mavesatra ity tanana izay nakana ra. Mahay lesona vaovao ndray zany koa teo.

Talata 01 septambra 2015 : Ultrasound vaginal scan
Nanana fotona tao amin'ny clinic izaho taminy 3 ora tolakandro. Zay ndray izaho vo nifanena tamin'ny dokotera Cici ,ny nifakahitanay farany dia taminy 23 decembra tamin'ny heritaona. Mahafinaritra ndray nahita azy,mitondra fanantena ery fahitana azy sy ireo mpitsambo mpanampy azy.Ny natao moa tamin' io dia ultrasound vaginal scan. Naharitra teo amin'ny 15 mn teo lay izy. Tena tsisy olona mihitsiny ny ahy ny tranonjaza ,madio tsara,nahateny mihitsiny aza i dokotera Cici "ndray tena photo genic mihitsiny ny tranonjazanao,tsy ahitana olana mihitsiny" Faly mihitsiny aho naheno anizay,satria afaka miroso aminy dingana manaraka zany.

Alarobia 02 septambre 2015
Miantso ndray ny mpampivelona "nurse" fa any amin'ny farany volona octobra na any amin'ny fanombohany volana novambra ndray fotoana hihaonana manaraka (ny fahitako azy toa miakina amin'ny fadimbolanako amin'ny volana octobre ny hanombohana hanaovana anilay fihaonana manaraka ...) Izay hampianarana ny fomba hampiasana ireo fanafody izay hampiasainako,ary amin'io andro io koa hanaovana sonia ny fifanekena rehetra.

Dia zay ny vaovao azoko ambara re ry mpamaky,dia tena etanimpifalina sahady aho ato,eo roa volana eo zany sisa dia afaka miroso amin'ny dingana goavana izahay. Tsy andriko tsony,tena tsy andriko anie zany e!

Zay fa mametraka mandra-mpanoratra ndray,dia ialako tsiny raha dia nampiandry 4 volona aho vao nanoratra satria tena tsy nisy vaovao taty amiko. Misaotra anao zay mamaky ny lahatsoratrako hatrany.

Am-pitiavana be

Valisoa.


dimanche 31 mai 2015

Tratry fety Reny e!



Miarahaba antsika rehetra e! fa indrindra zay Reny rehetra sy zay mbola ho Reny sy hoan'izay maniry ho Reny amin'ity andro fety androany ty,ka mirary tontolo 'andro mahafinaritra hoantsika rehetra. 

Zay ndray zaho fo tafaverina hanohy resaka fa tsy dia manana vaovao haroso loatra,ka lasa mangingina ny blog,misy manontany ahy ao amin'ny hafatra miafina oe " fa nanao aona tohin'ilay FIV fa toa tsisy vaovao mihitsiny e!"

Ny vaovao  tsara azo ambara hatreto dia nivaly ilay fangatahana nataonay momba lay public fundraising ,dia voaray izahay ka dia amin'ny volana Jolay izao ny anjaranay,ka dia miandry ny anjaranay zany zahay. 

Faly aloha izay amin'ny io vaovao io satria dia mba tsy mandoa vola apaosy izahay amin'io,eganie mba ho tody amin'ny zay irina. Isaorana Tompo fa fitahiany hatrany mahatonga zao rehetra zao. 

Faniriko mafy dia mafy zao,dia mba ho Reny zaho amin'ny fety Reny amin'ny heritaona,mba higogoka zany oe fahasambara zany atao Reny zany. Enganie 




Androany koa zaho dia hametraka fisaorana hoan'izay rehetra makahery ahy ao amin'ny hafatra miafina, sy hisaotra anireo namako izay makahery ahy hatrany sy mizaka ny mavetra amiko, mitondra hery lehibe hoahy reo hafatrareo reo. Misaotra betsaka ndrindra ,Tompo anie hamaly soa.

Zay angambany no azo ambara hatreto,fa dia miandry ny tournay zahay,toa mbola ela ihany ilay volana Jolay rehefa tena andrasana. 

Misaotra anao namaky hatrany lahatsoratra koa.

Mirary soa.

Am-pitiavana be

Valisoa






lundi 27 avril 2015

Valin'ny SSA - vaovao tsara


Ny 9 decembra maraina izahay no nanao an'ilay SSA,ary araka ny lazain'ny ilay mpitsambo mpanany dia tolakandro io ihany hafatarana valiny. (Afaka vakianao eto  ny fizotran'ilay SSA)

Nony tonga tolakandro ilay 9 decembra, dia tsy tafapetraka intsony aho,zara aza aho raha nisakafo atoandro tamin'io andro io,otrany naharary tampoka ahy mihitsy ny kiboko,tebiteby zany an! tsy lazaina tsony e!. Hamariniko daholo zao rehetra zao,mandeha tsara ve ty finday ty? sao mako ka tsy ny mahazo dokotera refa miantso ka manjary ho olana hafa koa. 


Tokony tany amin'ny dimy latsaka faha-efany tany zay voa naneno ny finday,avy de noraisina,tsy mba niandry mba avela haneno kely aloha vo noraisina. "Valisoa Jones ve io? Dr Cici ihany avy aty amin'ny fertility Clinic ihany ity,manana vaovao tsara hoanareo aho,nahitana tsirinaina velona ny fitilina, ka nazahoana 2 straws ,ka araka fifanekena dia hatao amin'ny vata fampangatsiahana,ka hampiasaina amin'ny andro mampety azy, izany hoe afaka atokomboka ny FIV/ICSI..."   (Tsy tadidiko koa niafarany resaka fa hafaliana no nameno ny trano,na i Dokotera Cici niara-paly taminay koa)



Mbola tsisy vaovao tsara henoko otrizay hatramin'ny nanombohanay ity dianay ity,faly lotra izahay tamin' izay,na izao zaho manoratra ho anao izao aza dia mbola mientana hafaliana ny foko,mbola mingoka hafaliana aho. Faly aho, ary faly lotra,nahatsiaro sambatra aho satria manana "chance" ihany izahay hanandrana hanana zaza itambarana, satria mantsy raha sanatria ka nandamoka io fitiliana io dia ny 'sperme doneur'' ny vahaolana manaraka azon'ny Dokotera aroso ho anay.

Tsy nampoiziko ny valin'io fitiliana, lasa ambony ndray moraly e!


Misaotra anao hatrany aho namaky ny lahatsoratra androany, ary miala tsiny aho raha toa ka mampiandry anao ela vao nanohy nitantara ny dianay,efa nazavaiko ihany ny antony.


Am-pitiavana be


Valisoa


xox






mardi 21 avril 2015

zay vo tafa verina indray .....

Salama daholo e!


Zaho ngambany tena tsy mendrika ho to amin'ity blogko ty fa tena manao tsidipahitra matetika ka! Tsy izany fa de misy fotona Aho tsy mba marisika mihitsy ny hiresaka momba ty diako ty to lasa saina izaho oe, "Izaho irery ngambany no gasy manana olana toy itony e?' 




Androany aho mandalo mba hametraka ny fialatsiny aminareo zay hitako fa mamaky ny lahatsoratrako
Mampanantena fa hiverina tsy ho ela aho hizara aminao vaovao, izay azotoko

Misaotra anao hatrany aho manaraka hatrany.


Am-pitiavana be
Valisoa J

mardi 10 mars 2015

Dingana iray vaovao : Public funding ...

Anio talata 10 marsa taona 2015.

Miarahaba e!
Ty lahatsoratra ity dia tokony navoakako taloha fa saingy hadinoko ny niresaka azy,avy nijery ny diariko zaho vao nahita oe hay ty tokony noresahako mihitsiny.


Ny volana septembra 2014 ; no nahavoaray taratasy avy amin'n foiben'ny F.A izahay ,izay milaza fa afaka mametraka fangatahana mba ho tafiditra ao amin'ny lisitra public funding izahay.

Inona moa no atao public funding eto?
Io dia fomba iray hanampiana ny mpivady mba hanamaivaina ny vola izay haloa,eto dia tsy miantoka tena ny mpivady raha ohatra ka mahafeno fepetra takiana fa atao maimaim-poana ny rehetra. 
Maharitra 18 volana fiandrasana vao afaka antomboka ny fikarakarana raha ohatra ka voaray,raha tsy maharitra moa ny mpivady dia afaka manomboka ka amin'ny zay dia miala vola apaosy madiodio.

Inona moa ireo fepetra takiana mba hahavoary amin'ilay Public funding?
-ny vehivavy dia mila latsaky 44 taona
-Tsy mifoka sigara 
- tsy  misotro toaka
-ny BMI dia mila anelan'elany 18 sy 32
-ary ny mpivady dia tsimaintsy mipetraka amin'ilay toerana

Nony voarainay moa  ilay taratasy dia nofenona sy nalefa izay rehetra nagatahany, dia nalefanay paositra ny androny iny ihany,sitrany ahay mba voaray fa tena mazana be lotra lay vola haloa raha hiantotena.

Tamin'iny andro naharaisanay sy nandefasanay anio dossier io dia marihiko fa mbola tsy hay na hiafa amin'inona ny dianay fa ny antony namenoanay an'ilay fangatahana dia manana zo hametraka fangatahana ny mpivady izay manana olona aminy fahamombana ka manantona io ivo toerana io.

Misaotra anao namaky hatrany,mirary tontolo andro mahafinaritra hoanao.

Valisoa
xoxo






dimanche 8 mars 2015

SSA -sergical sperme retrival



Voalohany dia  ialako tsiny indrindra fa toa nanao tsidi-pahatra ity blog ity izaho tato hoato,tsy haiko fa misy fotoana aho tsy te-hiresaka tsotr'izay ny diako,tsy manana 'courage' mihitsy zaho indraindray, toa lasa malahelo foana izaho isaky ny hanoratra. Androany zaho dia tapa-kevita fa hanoratra indray.

Araka ny nolazaiko tamin'ny lahatsoratra farany dia hiresaka momban'ilay SSA-TESA (Surgical sperme retrival) izay natao tamin'ny vadiko aho . SSA moa no vahaolana farany izay narosony Dr Cici anay raha ohatra ka maniry ny hanana zaza iombonana izahay mivady.

Ny alina mialohan'ilay SSA izaho dia tsy nahita tory,fa  mivadimbadika eo am-pandrina, tonga tao an-tsaina daholo izao rehetra izao. Inona hatao raha ohatra ka tsy mahomby io piaka io? tsy mandry mihitsy ny saiko. Lava tamiko io alina io,ndraindray toa manofy ratsy mihitsiny aza aho...nakiniko amin' Andriamanitra mandrakariva ny fiainanay,tsy mitsahatra aho,ny misaotra,ny mifona,ny mangataka Aminy.

Tonga ihany ny marainan'ny 9 Decembra 2014 tamin'ny10 ora maraina fotoana nomen'ny dokotera hihaonana aminy, ary ao amin' ilay Fertility Associate (F.A) ihany no hanaovana ny rehetra. Araka mahazatra anay dia tonga aloha foana izahay,mba hialana amin'ny rotoroto sy amin'ny fahatarana.

Nony tonga tamin'ny 10 ora marina dia dokotera hafa nampandroso anay,ary nilaza izy fa Dr Cici dia tsy miasa ny maraina io,ka izy no Dr Megane handray an-tanana ny rehetra amin'io tapak'andro maraina io. Nazavaina taminay amin'ny an-tsakany sy an-davany ny zavatra rehetra hataony mandritra io SSA io.Avy eo dia nomeny fotoana izahay hamaky ilay taratasy fanekena, ary nampanaoviny sonia. 

SSA na sergical sperme retrival moa dia efa nazavaiko tao amin'ny lahatsoratra teo aloha ary ny anaesthetic cream no ampiasaina amin'ny toerana voafaritra.

Rehefa vita zay dia nampiandrasiny teo amin'ny trano fiandrasana izahay, ary nilaza i Dr Megane fa hisy mpitsambo mpanampy ho tonga eo refa afaka 10 mn any hoany.

Nony afaka 10 minitra dia nampandroso ny vadiko ilay mpitsambo mpanampy ,izaho kosa nijanona irery teo no sady feno tebiteby. Izaho irery no teo amin'ny trano fiandrasana,mbetika misotro rano, mbetika mamaky boky, toa voa maika mavesatra tamiko ny finjanonako irery teo,tsy nisy olona mba hizarana izay ao am-po. Lava be tamiko ny 40 mn izay nolazany dokotera fa mety ho faharetany. Isaky misy varavarana maneno na misy olona migonongonona dia tranga foana sofiko.........
...zay fa nisy varavarana nivoha, hay ilay mpitsambo mpanampy,"Afaka mandroso enao, vita soa aman-tsara izy tao"




Toy ny tadio nitsanganako sy nidirako amin'ilay varavara,nampandrosony tao aminy efitrano misy ny vadiko aho,he izany hafaliko nahita azy.. Navelan'ilay  mpintsambo mpanampy niresaka kely teo izahay aloha, nony afaka kelikely izy dia nanome taratasy iray izahay,ary nazavany bebekoa izay voalaza tao. Ilay taratasy ny tena marina dia  fanekena ny hatao momba an'ilay valin'ny ilay SSA ( ohatra : firy taona no hitahirizana azy raha misy ao? Iza ny anaran olona afaka mampiasa azy? sns....maro be tao anatin'ilay fifanekana fa tsy tadidiko daholo.

 Nomeny fotoana tsara izahy hamakiana sy handinihana ilay taratasy satria tena zava-dehibe ,ary fanam-pahakevitra matotra ilay fifanekena,ary iakinany ny hoavinay rehetra. Mazava hoazy fa refa vita dia samy nanao sonia izahay mivady.
Noroson'ilay mpitsambo mpanampy dite sy mofo mamy izahay , ary nazavainy aminay ny tokony hatao raha sanatria ka santria ka misy fanaitainana ny vadiko taorian'ilay SSA. Ary farany dia nanamafy izy fa anio tolakandro ihany dia ho fantatra ny valiny, ka hiantso anay i Dr Cici hilaza valiny.

Teo amin'ny 11h 45 vita rehetra,ary afaka nody soa ama-tsara izahay, tsy andrinay mihitsiny ny hiantsoan'i Dr Cici handrenesanay valiny. Vita hozy izaho dingana iray, miandry valiny sisa.

Ataoko ao lahatsoratra maraka ao ny valiny lay SSA,mamerina fialatsiny hatrany aho amin'ny tsidi-pahatra izay nataoko,mampanantena aho fa tsy hiandry ela amin'ny famoahana lahatsoratra maraka.

Misaotra anao hatrany aho namaky.

Valisoa.










mercredi 25 février 2015

Valin'ny fitiliana faha-roa ....

Anio 25 febroary taona 2015

  Ny talata 4 novambra 2014 
Rehefa niandry teo amin'ny iray volana teo izahay,dia tonga ny andro izay handrenesana ny valin'ny fitilina faharoa izay nataon'ny vadiko.

Tamin'ny 2 ora tolokandro ny fotoana, tonga aloha hatrany  izahay, tebiteby hatrany no nisavovona tato aminay teo am-piandrasana ny fotona. Nampandroso arakin'ny mahazatra ny dokotera ka nampiresaka mandinidinika alohany hidirana amin'ny votoantony ny resaka.

Indrisy fa dia toa saika mitovy amin'ilay fitiliana voalohany ihany ny valiny. Teo koa nahafantranay fa ny azoospermia no mahazo ny vadiko. Mbola tsy naheno io anarana io aho,teny vaovao teo amin'ny sofiko io. Tsy voatanisa ny hakiviana sy alahelo nanakotsako ny foko nony naheno ilay voalaza,fanontaniana nipetraka tato an-tsaiko dia hoe Inona indray no azo atao manaraka e? Mbola misy ve ny dingana manaraka?

Misy vahaolana hatrany naroson'i Dr Cici dia ny hanaovana Biospy testiculaire  na SSR ( TESA- TESE ),io ho izy fomba manaraka azo atao raha mazoto ianareo fa  somary lafo ihany ,miakina aminareo ihany.

Inona moa ny atao oe SSR na koa Surgical Sperme Retrieval ?  : 
Alaina mivantana avy ao amin'ny testicule ny sperme amin'ny alalan'ny  fitaovana ari-fomba. Fomba hafa azo ilazana azy koa ny oe TESA- TESE 

Nazavainy aminay an-tsakany sy an-davany ny mety ho fizotran' io fomba manaraka io. Nitraka indray izaho kivy teo, satria dia toa naha-velom-panantenana be ery ilay fomba fanazavany azy.

Tsy nisy  firesahana manokana akoriny ny anay mivady fa avy dia nanaiky io dingana manaraka io, aleo velezina ny vy diany voa mahamay e! Nilaza izahay fa vonono ny hiroso amin'io dinga io. 



Ny ampitson' io ihany izahay dia nahazo taratasy izay milaza ny daty sy ny ora hanaovana an'ilay SSA.

Dia izay ny dingana vaovao hataonay, izay azo lazaina oe vahaolana farany raha ohatra ka te-hiteraka amin'ny vadiko aho...eny te-hiteraka amin'ny vadiko aho,izany faniriko goavana ato amiko, ato aminay......Iza moa no tsy manana faniriana ny hanan-janaka amin'ny vadiny e? Tsy mitsahatra aho manankina sy ny misaotra amin'ny Avo izay misy eo amin'ny fiainako,haiko fa tsy manary ahy Izy.


Isaorako anao hatrany koa ny manokana fotoana mamaky ny ny lahatsoratrako,eto no hany azoko izarako ny mavesatra ato amiko.


Valisoa


vendredi 20 février 2015

Mbola ho ny lava ny dia...

Anio faha-20 volana febroary taona 2015.


Alakamisy 25 septembre taona 2014.

       Io no andro nahafatarana ny valin'ny fitiliana nataonay,ka tamin'ny 3 ora sy sasany tolakandro ny fotona. Sady io koa no andro voalohany hifanenanay amin'ny dokotera izay hanampy anay amin'ny dia izay hataonay.

        Tamin'ny 3 ora sy faha-efany izahay dia efa tonga tao amin'ilay FA,ka niandry  tao amin'ny efi-trano fiandrasana izahay mandra-paha voantso ny anaranay, mangina tokoa tao,tena tsy nisy olona nivezivezy,ngambany samy revo amin'ny asany ny olona, na  izahay irery angambany ny olona ratsy vitana ka mitotototo mamonjy anio ivo toerana io.

       Misy latabatra iray izay feno boky teo am-povoany lay efitrano fiandrasana, ary boky rehetra teo dia toa mombany faha-mombana sy fijoroana vavolombelona hoan'izay efa nahita soa. Nandray boky ana-kiray aho ka namaky , "NAMAKY???" tsy namaky aho ny tena marina fa namadimbadika,na hoe mamaky fe mamaky, tsisy zavatra niditra tao amin'ny lohako zay tao anaty ilay boky fa "NERVEUSE "aho ,toy ny olona hanatrika fanandinana ireny, mbetika mipetraka,mbetika mitsangana,mbetika misotro rano. Ny vadiko kosa teo akilany raha jerena tampoka dia tena toy ny olona "tony" ,nefa kosa refa dinihina ela dia hita misoritra eny amin'ny endriny fa toa ahy koa izy. Nifakahery hatrany izahay roa teo am-piandrasana.

   Tonga ny tamin'ny 3 sy sasany marina,niantso ny anaranay ny Dokotera ary nampandroso anay,nampahafatatra ny tena izy, Dr Cici (Anarana noforoniko toy ny anarana rehetra eto io).Naharitra teo 20 minitra teo resadresaka vao niroso amin'ny votoantony filazana valiny analyse izy. 

Toy izao valiny fitiliana natao.
NY AHY :
-salama tsara,
-tsy misy aretina avy amin'ny firaisana ara-nofo,
-tsisy olana tranon-jaza, ary tsy atahorana ny ho lany atody  fa kosa mila ampiakarina  kely ny lanjako, ary mila manao vakisiny fanefitra amin'ny rubella .

NY AZY: tsy haiko ry mpamaky hanjaina ny hanombohana ny resaka eto ,tena marina tsy te hanotra valiny eto aho, ifonako fa tsy sahy aho e!tena tsy sahy aho ngambany azonao an-tsaina valiny. 

       Dokotera kosa nampahery anay ka nilaza oe haverina ny fitiliana an'i Jones fa sao dia mba sationan'ny tsirinaina natao fitilina no tsy ampy. Nanome fotoana sy adiresy hanaovana fitiliana manaraka Dr Cici . Afaka 1 volana indray fotoana manaraka halalalana ny valiny.

   Hery lehibe hoahy hatrany ny maheno ny dokotera nilaza fa haverina fitilina, amiko mahatoa dokotera tsy mbola manasa tanana dia misy ihany fanantenana. 

   Io andro io no andro mafy indrindra tamiko,satria tsy nampoiziko valiny, Eny e! mahatoa tsy nisy ny vohoka hatramin'izay dia nisy ny olana fa tsy nampoiziko hoe hotrizay ny valiny,toa manofy aho , tsy nino mihitsy aho,niveriberina tato an-tsaiko oe fa nahoana re? ngambany mba diso kosa ny dokotera ...? Na teo ary zany olana izany dia tsy nataonay handravana ny fitiavana izany fa nifakahery hatrany izahay mivady,matetika ny vadiko no mifona amiko,mihevitra mantsy izy fa diso ,nefa aho kosa dia tsy manome tsiny azy,tsisy hadisoany velively izany.

Tsy kivy aho fa vonona hanohy ny dia, ary haiko fa Andriamanitra tsy handao anay fa eo hatrany. 

Misaotra anao aho namaky ny lahatsoratrako androny. Raha mahaliana anao dia mametraha hafatra.


Valisoa



George Chakiris










jeudi 19 février 2015

Ny dingana voalohany ...

Alakamisy faha 19 volana febroary taona 2015


      Somary manerikerika ny andro ao ivelany ao,tsy maha te-hivoaka ny trano mihitsiny,manana fotona kely aho ka aleo manoratra, satria te-hizara aminao aho ny tohiny dianay .Ny lahatsoratrako androany dia  mikasika ny dingana voalohany nataonay momba ny antony tsy mbola mahatateraka fanirianay mba hanana zanaka.

   Efa resahiko tao amin'ny lahatsoratrako omaly fa rehefa niresaka tsara izahay mivady dia tapaka ny kevitra fa  hiantso ilay Fertility associates amin'ny tana-dehibe amin'ny toerana misy anay. Ny antony nahatonga anay nifidy io FA io dia nohon'ny traikefa maro izay ananandrizareo ao.

Alarobia 13 aogositra 2014 :Niantso ny FA izay, naharitra teo amin'ny 15 minitra teo ny resaka,satria nisy fanontanina maro napetrak'ilay mpandray antso ataroby taminay toy ny:
-efa hatramin'ovina no nanandrana ny hitoe-jaza? ( TTC)
-mifoka sigara ve?
-misy zaza latsaky 12 taona ve ao an-trano?
-Efa bevoka ve taloha ...sns...
maro ireo fanontaniana napetrany fa tsy tadidiko daholo,ary farany moa dia nangataka adiresy sy anaranay feno izy.

Zoma 15 aogositra 2014 : nahavoaray fonosana avy amin'ny FA izahay, tao anaty ilay fonosana, dia nahitana :

1- boky iray "Pathway to a child" , izay hita ao anatiny ny tohatra izay harahina amin'ny fitsaboana ny faha-mombana,ny resaka momba IVF,DO,IUI .


"Pathway to a  child"


Pejy miresaka momba ny Fiv
Ireo lohateny maro ao amin'ilay boky


2-taratasy anan-kiroa ,miampy valopy misy adiresy FA ,lay taratasy dia mirakotra fanontanina maro, ary mila valina sy atao sonia, ka averina amin'ilay adiresy voasoratra eo valopy refa vita.

3-Nisy taratasy anan-kiroa hafa tao ka misy ny lisitra ireo fitilina ( analyse) izay hataonay mivady. Marihiko fa samy hafa zavatra takina amin'ilay fitilina.(sambako tamin'ny fiainako vo hanao analyse mitaky zavatra maro be zany). 

4- Takelaka iray mirakitra ny vinavina vola mety ho lany.


Treatment fees 


5-Farany dia taratasy iray misy ny daty sy ora hihaonana amin'ilay Dokotera ny FA ka eo hahalalana ny valin'ireo fitilina .( Ny valin'ny fitilina rehetra dia mivantana any aminy, ka amin'io fotoana voatondro io izahay vo afaka hihaona aminy)

       Somary feno hakiviana tato amiko nony nahita ireo mari-bola zay mety ho lany,na dia mbola tsy haiko aza na hatraiza ny hiafaran'ny dianay,fa nataoko tato an-tsaina dia oe "vonona  aho" vonona hanohy dia,sy hanantanteraka ny fanirianay na dia handaniana vola ama-karena aza izany.

     Ilay boky 'Pathway to a child" kosa dia tena boky mahalina, satria miresaka dingana sy vahaolana momba faha-mombana. Ny andro nazahoako an'ilay boky dia toa tsisy zavatra vitako fa dia namaky hatrany ilay boky,navadika navadika toa ho hitako ao valin'ny fanontaniana oe "mba ho reny ve aho?"

      Mbola mitohy ny dianay,  ka hataoko ao amin'ny takila manaraka ao tohiny , isaorako sahady i Anao mamaky hatrany,aza hadino mametraka hafatra na manontany raha misy mahaliana.

         Misy voambolana maro ireo ambony ireo izay tsy hitako hamadihana azy amin'ny teny malagasy fa kosa hazavaiko arak'izay fahaizako azy.

IVF: In Vitro Fertilisation , lonahina aty ivelan'ny vatana ny tsirin'aina lahy sy atody vavy.
IUI : Intra- Uterine Insemination ,izany oe, ampidirina mivantana ao amin'ny tranon-jaza ny tsirinaina lahy.
TTC : Try To Conveince 
FA: Fertility Associates


Am-pitiavana 


Valisoa 

xoxo




mardi 17 février 2015

Ny momba anay.

Anio faha 18 volana febroary taona 2015.



       Androany aho dia hampahafatatra anao bebekokoa ny momba anay. 

Valisoa ny anarana ho entiko eto amin'ity blog ity, handray 33 taona aho antsihoantsy.Mpiompy ny asako, mimpetraka aty ivelany aho, efa ho 4 taona izay. Mipetraka amin'ny toerana lavitra tanan-dehibe izahay,azo isaina ny olona mba hita ao anaty iray andro.Manana alika roa aho, dia i Boy sy Baba,ireo mba solon'ny zaza ao ato an-trano (vazivazy ny ahy).

 
Izy no "baba"
   Tamin'ny faha-25 taonako aho dia nitoe-jaza tamin'ny sakaizako taloha ,ndrisy kosa anefa fa tamin'ny faha-5 volana sy 15 andro ny kiboko dia afa-jaza aho ny Alatsinainy faha 19 volana novambra taona 2007,mafy tamiko io sendra io fa kosa tsy irery aho fa teo Andriamanitra nampionona foko.

    Tamin'ny taona 2009 aho nifanena tamin'ny Jones, ary nanomboka niara nipetraka izahay ny taona 2011,ny taona 2013 izahay no nanao voady fa hiaraka ka hizara soa indrindra, ary hiaraka na mafy na ho sarotra ny dia.

    Nahatsapa anefa izahay fa misy banga teo fiainanany dia ny tsy fisiany "zaza" tao an-trano. Nandritra ny fotoana niarahanay nefa dia toa tsy mba nisy volana na taona mba honohono fa nitoe-jaza aho. Manontany tena izahay satria izahay dia tsy nampiasa fomba fandrindrana fiainam-pianakavina,na pilina na tsindrona izany. Ny marina kokoa dia izaho dia mbola tsy nampiasa an'ireny mihitsiny tamin'ny fiainako fa manisa andro nahavanana ahy kokoa.Lasa ny eriteritray, toa lasa mifampiahiahy izahy, "izy ve sa izaho e?"

    Etsy akilany,ny havana sy namana amin'izany toa manontany saika isaky izao mba miresaka izao "Fa amin'ny oviana ndry kia miteraka? Nga kia ndry tsy hiteraka? Fa misy olana nga kia?....manindrona foko mafy ireo fanontanina ireo, eny fa na dia mbola tsy voporofo aza fa misy olana eo aminay, hany ataoko matetika dia tsy mamaly fa mitady zavatra hafa hanovana ny resaka.

    Noho ilay fanirina te-hanan-janaka anefa dia tsy ninjanona fotsiny izahay fa manantona  ny Fertility clinic izay havanana amin' io sehatra io satria io hany vahaolana voalohany hitanay fa afaka hamaha sy hamaly ireo fanontanina izay tsy ahitam-baliny ireo. Mety manontany tena ngambany enao " 2 taona ve dia efa ampy hilazana fa misy olana eo aminareo?" 

    Hozaraiko ao amin'ny takila manaraka ny dingana rehetra hataonay, mino aho fa mahaliana izany.

Mizaotra anao  hatrany aho namaky.


Valisoa

    


     




Tonga soa eto amin'ny Blogn"i Valisoa .


Anio 17 Febroary taona 2015


       Androany aho dia nanokatra ny blog " Ho reny ve aho indray andro any?", misy fanirina mafy ato amiko,maniry mafy aho ny ho RENY,indry mantsy ,tsy vitanay mivady irery zany fanirina izany fa tsimaintsy miakina amin'ny SCIENCE zahay. Ary izany rehetra izany dia Andrimanitra mahalala ny mahasoa anay. Efa natoky azy aho hatramin'ny voalohany ary mbola mino sy matoky fitantanany ahy amin'ny dia izay hataoko.

     Haiko fa misy vehivavy malagasy manana olana tahaka ahy,  nefa tsy sahy ny miresaka satria matahotra ny esony fiaraha-monina, Izaho koa dia toy izany, misy fatahorana ato amiko ,nefa mba te-hizara ka izay no namoronako ilay solonanarana "Valisoa".

    Nataoko koa ny blog mba hanamavainako ny alahelo izay mitambesatra ato amiko,sy mba hizarako zay mba fahalalako sy handrefesako ny lalana ho diaviko.

   Ialako tsiny mialoha raha mifangaro amin'ny teny vahiny ny voambolana hampiasaiko eto,ary mialatsiny koa aho raha misy ny tsipelina diso eny anelanelany eny fa tsy dia mahay miresaka firy mantsy aho,fa kosa hiezaka aho hanao fehezan-teny fohy ary mazava.

Misaotra anao mialaho ny namaky sy manaraka ny asasoratrako

Afaka mandray anjara enao amin'ny alalan'ny fametrahana hafatra.


Am-pitiavana 

Valisoa