mercredi 20 juillet 2016

10 andro nodiaviko taorina Embryon transfer

Salama e!

Androny dia faha-11 androny ny nanaovana anilay embryon tranfer tato amiko. Ka rampitso 22 Jolay no hanaovana ny test de grossesse volohany.
Androany aho dia hiresaka amina oe ina dahalo ny zavatra niseho tao anatiny zay 11 andro izay sy inona fanafody nohaniko. Ny rehetra ho zaraiko dia experienceko manoka fa tsy oe tsy mitovy amiko ny anao dia ho kivy enao samy manana fisehony hono ny rehetra.

Andro voahany :12 Jolay 2016 :Embryon tranfer
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogenena : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                 Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io : naharariray teo amin'ny kiboko, toa valaka zany lamoso.

Andro faha-2 :13 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                 Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  naharariray teo amin'ny kiboko, toa valaka zany lamoso,lasa henjana nonoko 

Andro faha-3 :14Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova :in-telo isan'andro
                 utrogestan: 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                    Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  naharariray teo amin'ny kiboko, toa valaka zany lamoso,lasa henjana nonoko ,hotrany nisy tazo kely zay aho,mety mandalo fotsiny

Andro faha-4 :15 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva
                  Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  mbola mitohy henjana nonoko ,nahary ndray lohako

Andro faha-5 :16 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                  Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io : tena hotra tsisy inona fa niverina normal zay aho ,nonoko mbola maharary ihany fa lasa nihena.

Andro faha-6 :17 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                 Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io : lasa nihena nonoko, sady tena tsisy ina koa fa de niverina normal zany vatako 

Andro faha-7 :18 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva
                    Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  normal aho tsis inona  lasa manotany tena mbola ao ve lay izy e?

Andro faha-8 :19 Jolay 2016 
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  normal zany vatko fa sainy misy fotona hotrany oe ho regle teom-batako lasa makany wc fona mijery oe sao regle fa tsisy inona.


Andro faha-19 :20 Jolay 2016 (date tokony haha-regle ahy)
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                  Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  normal zany vatako fa sainy misy fotona hotrany oe ho regle teom-batako lasa makany wc fona mijery oe sao regle fa tsisy inona.


Andro faha-10 :21 Jolay 2016  
 - Fanafody : Progynova in-telo isan'andro
                 utrogestan : 2 mariana,2 atoandro 2 hariva 
                  Folic- acid :1 isan'andro
-Ora fanafody : 8 ora maraina, 1 ora ataondro, 8 ora hariva
-Ny tranga ny andro io :  normal zany vatako . Tsisy inona hafa mba miseho dia tsy hay fambara tsara ve zany sa ina dikany

Andro faha-11 :22 Jolay 2016 : TEST DE GROSSESSE (Rahampitso io)
Andriamanitra Ray mahalala ny mahasoa anay.

                Reo tranga sy fanafody haniko hatreto, mahagaga ahy dia tsy misy signe zany nanomboka ny teo lay andro faha-5 toa lasa tsy misy hararirary kibo, satria zaho zany mihevitra oe refa mahariray kibo zany dia mety ao lay izy ( eritreitra adala zany). Akotrizay aloha izaho tena tsy mba atoko be lotra amin'io eritreitrako fa zay miseho dia atrehina, manorona zavtra hato fona aho fa hoe dia hieritreitra be lotra zany dia ialako lavitra.

Reo fanafody haniko


Marihiko hatrany fa io dia ny ahy manokany, tsy hitovy mihitsiny ny vatany tsirairay,fa samy manana ny azy, mizara ny ahy fotsiny no ataoko. 

Misaotra anao namaky hatrany e.

Veloma.

Valisoa




vendredi 15 juillet 2016

Ny azo atao sy ny tsia aorina ET

Salama.

Niverina sahady aho,aleo mako lazaiko aminareo mialohany ny tohiny ilay tantara.

Andao resahina volohany ny hafatrany ny dokotera amin'ilay azo atao sy tsy azo atao.

Ny tsia azo atao
nanamafy tamiko ilay mpitsambo mpanampy fa tsy azoko ataony ny 
- manao piscina (milomano)
-sauna ( zaho ary tsy mpanao sauna mdr be koa zany)
-milona anaty rano mafana (bath)
-manao mafana be amin'ny alany ny entona.  
-manandino ny fanafody ampiasaina, arahina antsakany sy andavany daholo ny rehetra
-ary tsy hadinoina ny mihinana folic acid fa manmpy ami'ny fitombony hazodamosiny ny zaza.
Ireo ihany no tena nafarany taminay fa tsy tokony hatao

Ny azo atao : tsy dia misy oe tsy azo atao lotra akotrizareo voafaritra ambony io hozy izy, fa mahasarobidy ny zavatra natao dia mila mba mitandrina ihany. Afaka miverina amin'ny fiafinana isan'andro hozy izy, toy olona mitsaika rehetra. 

ity no Folic haniko, efa hatrany nanombohan FIV no ihinanako 1 isandro anity.

Reo ihany no hafatra azo avy tamin'ny mpitsambo mpanampy aloha,fa hoahy manokana dia aleoko alana miandana ity tantara ity mba hampitombo kokoa ny vitana hipetrahan'ilay zaza. 

Misaotra anao namaky hatrany e.

12 Jolay 2016 : Embryon transfer

salama e!

Androny aho va afaka hanotra sy hitantara lay ET (embryon transfer) zay nataoko tamin'ny talata 12 volana jolay teo, efa ho 2 taona mahery kely no niandrasako anio an.
Andao ary ho tantaraiko aminao ny fizotra ny ET nataoko .

Talata 12 Jolay 2012.
Tamin'ny 11:10 ny fotoana hihaonako amin'ilay dokotera tao clinic hanaovana anilay Embryon transfer, fa nasainy ho tonga aloha aho mba hiomana amin'ny izay ato. Fiomanana tiany hataoko moa dia oe mila tsy feno pipi ny ao amin'ny tatavia alohany hanaovana ny ET, ka tokony teo 10:50 teo izaho no tonga tao amin'ilay clinic ka nasiny nisotro rano 1 vera aloha. 

Nony tokony tany amin'ny 11 ora tany dia nampandrosoiny izahay ka natolony ahy ny akanjo izay hanaovana mandritra ilay ET,nasainy noesorina daholo ny akanjo izay nanaova (fehitratra no navela), dia avy eo nanao ilay akanjo manga ny clinic, marefo mako ilay embryon ka izay no antony tsimaintsy nanoloana ny akanjo.

Nony vita ny fisoloana akanjo dia narosony tao amin'ilay efitra izay hanaovana an'ilay ET aho,araky ny mahazatra mba hanamarina fa izaho marina ilay olona ho raisina anio dia asainy milaza ny anarana sy adiresy sy ny taona nahaterahako aho. Nilaza ilay embryologist fa miforona tsara lay embryon ary afako-po ry zareo ka vonono hiroso amin'ilay ET izy. 

Nasaina niakatra teo amin'ilay fandriana aho ,nampiakarina ny tongotra toy reny olona hiteraka ireny, avy dia natao toy ireo hanao ecografie ireny ny teo amin'ny kiboko. Afapo tamin'ny fijerena teo ecran ilay dokotera ka nampidirina ilay fantsona kely izy misy ny embryon, hita mazavozavo eo ecran ny fizotrany rehetra. Tsy ampy 3 minitra akoriny dia vita fa dia fiomakomanana ro be. Tsy naharary na kely aza. Nony vita dia nasainy ninjanona teo aloha aho mandritra ny teo 3 minitra teo no sady nanazava ilay mpitsambo mpanampy oe inona no azo atao sy ny tsy azo atao, ary nanome ny fanafody izy hampiasaina indray mandritra ny 10 andro izay hiandrasana ny vokatra.  Rehefa vita ny rehtra dia niverina tao amin'ny efitra misy ny akanjoko aho ary afaka mody.

Eny 10 andro no hiandrasana ny vokatra, amin'ny 22 vola jolay izay no hanao anilay "test de grossesse" aho
Reto ny fanampy fanafody am-piasaiko 2 isaky aminy 8 marina , 1 ora atoandro ary amin'ny 8 hariva

Fanazavana kely : Ny embryon hampiasaina amiko dia frozen, ary io embryon 1 io ihany ny ahy no hampidirna satria izay no hany anananany no sady tsimaintsy embryon iray no azo ampiasaina aty aminy toerana naovako anio Fiv io. Io embryon iray io hany fanatenako io no ahy , raha santria ka tsy tafa dia hamerina A-Z indray . Tamin'ny 05 decembera no nakany ny atody tato amiko . Azonao vakina ETO ny fizotran'ny ninjinjana ilay atody.

Ataoko ao amin'ny lahatsotra manaraka ny tohiny, hitanatra aho amin'ny azo atao sy tsia, ary hiresaka koa oe ina no niseho mandrindritra ilay 5 andro izay, satria efa faha 5 andro sahady aho izao.

Misaotra anao hatrany ny hamaky, aza misalala ny manontany raha misy tiana hazava bebekokoa. 

Am-pitiava be 

Valisoa

mardi 12 juillet 2016

Vaovao avy aty amiko e!

Salama e!

Efa tsy ho 7 volana ve aho zay tsy nanoratra teo? Tena efa ela be zay, tsy hita moa fa tsy misy hambara firy fa de niandriandry teny. Zay ndray aho vao eto hitantara ny tohiny dianay. Manana vaovao hozaraina aho ka dia leoko manoratra ndray satria te hizara mafy an'ireto vaovao ireto aho.

01 Marsa 2016 
Refa hita manjavozavo fa nisy anilay polyp aho tamin'ny scan zay natao tao clinic nikarakara ahy dia nalefa nanao SIS mba hi verifiene tsara habeny lay polyp sy oe firy marina polyp mitsiry ao anatiny tranon-jazako. Ny volohany volana Marsa izahy no nahazo rendez-vous tao amin'ilay radiologiste. 
Naharitra teo 45mn teo lay scan ary teo nahita fa tena tao ilay polyp fa saingy kely,niteny moa ilay dokotera tao fa tsisy atahorana ilay izy satria kely fa kosa fanampahakevitra rehetra dia miakina amin'ny dokoterako any clinic.

Ny tolakandro io andro io ihany dia niantso ahy lay dokotera ao clinic fa nampilaza fa voray dossier avy anilay dokotera nao anilay Saline Infusion Sonohysterography (SIS) ka refa nanao fandinihana zareo rehtra dia aleo hoesorina ilay polyp satria polyp dia atony iray mahatonga vehivavy ho afa-jaza mandritra vohoka, ny ahy koa moa embryon iray ihany ka aleo atao zay zay hahasoa anizay iray zay. 

25 May 2016 : Hysteroscopy
Tamin'io no noesorina ilay polyp. naharitra teo 40 mn treo fandidina, tsy nisy anestezia fa dia nihinana penadol sy ubiprofen andiny 1 talohany ilay kana azy. Tena raha ataoko aminy 1 katrany 10 ny faharariny nakana azy dia aleko atao 6 ,satria maharary an! fa afaka tao ihany moa lay izy.  Tsisy fahasarotany nakana anilay polyp fa dia nizotra tsara ary salama tsara aho taorina nakana azy.

22 Jiona 2016 : nanomboka nihina anilay pilina Progynova 2mg

Misy pilina izay nomeny clinic aho ka milay mihinana anilay izy aho in-3 isan'andro ka ezahina aminy ora tsy miova fihinana azy. Ny ahi dia nataoko amin 8 ora marina, amin'ny 1 ora atoandro ary amin 8 ora alina. Hatreto aloha dia vita daholo ny rehetra tsy mbola misy handrino.


Ity progynova izay haniko in-3 isanadro

07 Jiona 2016 : scan sy fitilina ny ra sy -

afa-po tamin'ny valiny fitilina scan ny dokotera dia nahazo fanafody vaovao aho, utrogestan izay ampidirina ao amin'ny fivaviana in-telo isandro ka amin'ny ora ihinana anilay fanafody iray etsy ambony no ampidirana azy.


Zay ndray aloha ny azoko lazaina androany fa aleo maka aina kely aho.

Rampitso aho manohy ny tohiny.
Misaotra anao mamaky hatrany e!

Valisoa