mardi 17 février 2015

Tonga soa eto amin'ny Blogn"i Valisoa .


Anio 17 Febroary taona 2015


       Androany aho dia nanokatra ny blog " Ho reny ve aho indray andro any?", misy fanirina mafy ato amiko,maniry mafy aho ny ho RENY,indry mantsy ,tsy vitanay mivady irery zany fanirina izany fa tsimaintsy miakina amin'ny SCIENCE zahay. Ary izany rehetra izany dia Andrimanitra mahalala ny mahasoa anay. Efa natoky azy aho hatramin'ny voalohany ary mbola mino sy matoky fitantanany ahy amin'ny dia izay hataoko.

     Haiko fa misy vehivavy malagasy manana olana tahaka ahy,  nefa tsy sahy ny miresaka satria matahotra ny esony fiaraha-monina, Izaho koa dia toy izany, misy fatahorana ato amiko ,nefa mba te-hizara ka izay no namoronako ilay solonanarana "Valisoa".

    Nataoko koa ny blog mba hanamavainako ny alahelo izay mitambesatra ato amiko,sy mba hizarako zay mba fahalalako sy handrefesako ny lalana ho diaviko.

   Ialako tsiny mialoha raha mifangaro amin'ny teny vahiny ny voambolana hampiasaiko eto,ary mialatsiny koa aho raha misy ny tsipelina diso eny anelanelany eny fa tsy dia mahay miresaka firy mantsy aho,fa kosa hiezaka aho hanao fehezan-teny fohy ary mazava.

Misaotra anao mialaho ny namaky sy manaraka ny asasoratrako

Afaka mandray anjara enao amin'ny alalan'ny fametrahana hafatra.


Am-pitiavana 

Valisoa



2 commentaires:

  1. tonga soa aho, zao vao mahita ity blog'nao ity dia misy itovizana be amin'ny ahy. Efa hitako sahady fa ho tamàna eto aho. Misaotra betsaka nampahafantatra ny blog dia courage fa misy fotoanany ny zava-drehetra. :*

    RépondreSupprimer