vendredi 20 février 2015

Mbola ho ny lava ny dia...

Anio faha-20 volana febroary taona 2015.


Alakamisy 25 septembre taona 2014.

       Io no andro nahafatarana ny valin'ny fitiliana nataonay,ka tamin'ny 3 ora sy sasany tolakandro ny fotona. Sady io koa no andro voalohany hifanenanay amin'ny dokotera izay hanampy anay amin'ny dia izay hataonay.

        Tamin'ny 3 ora sy faha-efany izahay dia efa tonga tao amin'ilay FA,ka niandry  tao amin'ny efi-trano fiandrasana izahay mandra-paha voantso ny anaranay, mangina tokoa tao,tena tsy nisy olona nivezivezy,ngambany samy revo amin'ny asany ny olona, na  izahay irery angambany ny olona ratsy vitana ka mitotototo mamonjy anio ivo toerana io.

       Misy latabatra iray izay feno boky teo am-povoany lay efitrano fiandrasana, ary boky rehetra teo dia toa mombany faha-mombana sy fijoroana vavolombelona hoan'izay efa nahita soa. Nandray boky ana-kiray aho ka namaky , "NAMAKY???" tsy namaky aho ny tena marina fa namadimbadika,na hoe mamaky fe mamaky, tsisy zavatra niditra tao amin'ny lohako zay tao anaty ilay boky fa "NERVEUSE "aho ,toy ny olona hanatrika fanandinana ireny, mbetika mipetraka,mbetika mitsangana,mbetika misotro rano. Ny vadiko kosa teo akilany raha jerena tampoka dia tena toy ny olona "tony" ,nefa kosa refa dinihina ela dia hita misoritra eny amin'ny endriny fa toa ahy koa izy. Nifakahery hatrany izahay roa teo am-piandrasana.

   Tonga ny tamin'ny 3 sy sasany marina,niantso ny anaranay ny Dokotera ary nampandroso anay,nampahafatatra ny tena izy, Dr Cici (Anarana noforoniko toy ny anarana rehetra eto io).Naharitra teo 20 minitra teo resadresaka vao niroso amin'ny votoantony filazana valiny analyse izy. 

Toy izao valiny fitiliana natao.
NY AHY :
-salama tsara,
-tsy misy aretina avy amin'ny firaisana ara-nofo,
-tsisy olana tranon-jaza, ary tsy atahorana ny ho lany atody  fa kosa mila ampiakarina  kely ny lanjako, ary mila manao vakisiny fanefitra amin'ny rubella .

NY AZY: tsy haiko ry mpamaky hanjaina ny hanombohana ny resaka eto ,tena marina tsy te hanotra valiny eto aho, ifonako fa tsy sahy aho e!tena tsy sahy aho ngambany azonao an-tsaina valiny. 

       Dokotera kosa nampahery anay ka nilaza oe haverina ny fitiliana an'i Jones fa sao dia mba sationan'ny tsirinaina natao fitilina no tsy ampy. Nanome fotoana sy adiresy hanaovana fitiliana manaraka Dr Cici . Afaka 1 volana indray fotoana manaraka halalalana ny valiny.

   Hery lehibe hoahy hatrany ny maheno ny dokotera nilaza fa haverina fitilina, amiko mahatoa dokotera tsy mbola manasa tanana dia misy ihany fanantenana. 

   Io andro io no andro mafy indrindra tamiko,satria tsy nampoiziko valiny, Eny e! mahatoa tsy nisy ny vohoka hatramin'izay dia nisy ny olana fa tsy nampoiziko hoe hotrizay ny valiny,toa manofy aho , tsy nino mihitsy aho,niveriberina tato an-tsaiko oe fa nahoana re? ngambany mba diso kosa ny dokotera ...? Na teo ary zany olana izany dia tsy nataonay handravana ny fitiavana izany fa nifakahery hatrany izahay mivady,matetika ny vadiko no mifona amiko,mihevitra mantsy izy fa diso ,nefa aho kosa dia tsy manome tsiny azy,tsisy hadisoany velively izany.

Tsy kivy aho fa vonona hanohy ny dia, ary haiko fa Andriamanitra tsy handao anay fa eo hatrany. 

Misaotra anao aho namaky ny lahatsoratrako androny. Raha mahaliana anao dia mametraha hafatra.


Valisoa



George Chakiris










3 commentaires:

  1. Hametraka hafatra tokoa. Izany tokoa ilay tena fitiavana ... Tsy manary anao Andriamanitra, mahita hevitra foana ianao fa aza matahotra, mahay mandahatra anie io Andriamanitra io e! hanana taranaka ianareo na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana no ahatongavan'izany fa aza ravàna noho izany ny fitiavana. :'( Mahereza fa tsy tapitra hatreo ny tolona. Mba jereo amin'ny facebook aho raha mba te hitafatafa ianao... tsy voatery anefa raha tsy te ho fantatro ianao fa raha te iresaka dia aza misalasala. :)

    RépondreSupprimer
  2. Misaotra anao aho amin'ny teny fakaherezana fa mitondra hery lehibe mahita fa hay misy mamaky ny lahatsoratra.

    RépondreSupprimer
  3. Tsy misy isaorana akia fa mitomboa finoana sy herim-po a. Tonga foana io e! :)

    RépondreSupprimer